RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fetison Rakoto Andrianirina “Toa izy indray no miavona ?”


    Gaborone, io indray izao no ambentin-dresaka sy fototry ny adihevitra any an-toeram-piasana, eny ambony fiara fitaterana sy eny an-dalambe rehetra eny. Fihaonana no hatao any, izay andrandrain’ny maro fa hahitana vahaolana haramanana izao krizy lavareny izao. Nisy indrindra ny tafatafa niarahana tamin’i Fetison Andrianirina mahakasika izay.


    Tia Tanindrazana : Efa nahazo fanampim-baovao ve ianao mikasika ny dia ho any Gaborone ? Iza avy no tokony handeha any ?

    Fetison Andrianirina : Raha ny vaovao azo avy amin-dry zareo ao amin’ny SADC dia ho fantatra amin’ity herinandro ity ny daty hanaovana ny fivoriana sy ireo izay handray anjara any. Ireo voakasiky ny famahana ny olana no tokony handeha : ny Ankolafy telo miaraka amin’ireo vondron’antoko izay nanohana ny tondrozotra satria efa natambatr’iny fanaovana rangopohy iny izy ireo.


    TT : Izany hoe hanao sonia ve izany no handehanana any araka ny hevitrao ?

    FA : Samy milaza izay tiany hahatongavana aorian’ny fivoriana any Gaborone ny rehetra. Ny azo tsapain-tanana dia tsy mbola azo ny fankatoavana iraisam-pirenena ankehitriny ary matoa mbola misy ny fiantsoana fivoriana farany dia tsy nahavaha ny olana izay rehetra vita. Tsy tokony hifaly amin’izany anefa isika ary izay rehetra manakana ny fahombiazan’izany fivoriana izany dia kilasiana ho fahavalom-pirenena.

    TT : Hentitra Atoa Andry Rajoelina nanambara fa izay tsy hanao sonia dia tokony tsy hanelingelina ny firoson’ny tetezamita ho any amin’ny fifidianana. Ny hevitrao ?

    FA : Tsy hitako aloha izay tokony hahahentitra azy amin’izany. Izy tenany aloha no tokony horeseny lahatra. Ny fakàny ny fahefana tsy ara-drariny anie no nahatonga an’izao fahasahiranana izao e ! Tokony tsy hohadinoiny fa noho izy no tsy hiarahan’ny fianakaviambe miasa amin’i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy. Ary voafidim-bahoaka taiza moa izy no afaka hilaza fa ny vahaolana heveriny fa mety no hampiainana ny rehetra ? Efa nomena tombony izy tamin’ny faneken’ny rehetra hiara-midinika taminy. Gaga izahay ankehitriny fa toa izy indray no miavona sy sarotra ampiana !

    TT : Ahoana izany ny fahitanao ny mety ho vokatry ny fivoriana any Gaborone ? Dia ho sanatria fandaniam-potoana fotsiny ve ?

    FA : Ny fanirian’Atoa Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy dia izay tsy ahitana fahombiazana any Gaborone matoa izy ireo miziriziry amin’ny hevi-disony. Hevi-diso satria raha nisy fahamarinana na dia kely aza dia nahafahana namoaka ny firenena ao anatin’izao olana goavana izao. Miha mahantra ny vahoaka, tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fihariana, tsy misy ny fandriampahalemana. Ireny rehetra ireny manery antsika hitady vahaolana.

    TT : Fa inona ary izany no tena sakana ho anareo tsy hametrahana ny rafitra tetezamita tena izy ?

    FA : Efa nisy zavatra azo iasana tsara naroson’ny mpanelanelana. Ireto zavatra telo ireto ihany no tena zava-dehibe. Raha mbola te handray anjara amin’ny tetezamita Atoa Rajoelina dia tokony hijery ny fitsinjaram-pahefana, ny famoahana an’ireo gadra politika sy ny fifamelana, ny fampodiana an’ireo izay any ivelany, iza ireo afaka milatsaka ho fidina...

    TT : Tokony hitera-bokatsoa ho an’ny firenena ve izany i Gaborone ?

    FA : Raha tsy miova famindra ny mpitondra ankehitriny dia manahy ny tsy ahalavorary ny any Gaborone ny tenako. Dia ho avy indray ny sazy mahery vaika avy any amin’ny SADC ary tsy hisy ny filaminana ho antsika rehetra. Tsy tompon’andraikitra amin’izany izahay. Koa manasa an’ireo hery velona rehetra sahady ny tenako hivory sy hijoro handinika izay hatao aorian’ny fivoriana any Gaborone, na inona na inona fanapahan-kevitra hivoaka.


    http://www.tiatanindrazana.com/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire